RANAIVOSON NAMBININA
Gasikarako
Tiako ianao ry Gasikara , tanindrazana lalaikoKa hasandratro ao am-poko sy loloaviko ao an-tsaikoFa raha misy faniriana tsara indrindra mba tononinkoTsy ho an'iza fa ho anao ry nilantsahan-tavoniko. Fa hatramin'ny fahagola , tany ambadikin'ny razako Dia ianao no anjara tany izay natolotry ny razako Ianao no lova soa sarobidy mba nananany Dia ianao ry Gasikara , ialy napetrany ho an-janany.Fa matoa manompy mena ireo havoana izay tazanikoTeo ny ràn'ny Menalamba izay mamonto izany tanikoMatoa ka fatratra faniry iretsy ala matevinaDia , teo ny nofiny angamba , no efa zezika nilevina.
Rado